Psalms 19

Fanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, amin’ ny asan’ ny tànany, na amin’ ny lalàna nomeny

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany. 3Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy. 4Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony
Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony.
.
5Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany
Na: feony.
, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy;
6Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy. 7Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany. 8Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina. 9Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso. 10Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. 11Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra. 12Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe. 13Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra. 14Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe. 15Aoka ny tenin’ ny vavako sy ny fisainan’ ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Copyright information for Mg1865